Vao haingana izay no nankatoavin'ny Filankevi-panjakana, ny Kabinetran'i Shina, ny fanendrena ny 19 Aogositra ho Andron'ny Dokotera Shinoa. Ny Vaomieran'ny Fahasalamana sy ny Fandrindrana ny Fianakaviana ary ireo sampan-draharaha mifandraika amin'izany no hiandraikitra izany, ary ny Andron'ny Dokotera Shinoa voalohany no hankalazaina amin'ny taona ho avy.

Ny Andron'ny Dokotera Shinoa no andro fialan-tsasatra ara-dalàna fahefatra ho an'ny matihanina any Shina, aorian'ny Andro nasionaly ho an'ny mpitsabo mpanampy, ny Andron'ny mpampianatra ary ny Andro ho an'ny mpanao gazety, izay manamarika ny maha-zava-dehibe ny dokotera amin'ny fiarovana ny fahasalaman'ny olona.

Hankalazaina amin'ny 19 Aogositra ny Andro ho an'ny Dokotera Shinoa satria natao tao Beijing tamin'ny 19 Aogositra 2016 ny Fihaonambe Nasionaly voalohany momba ny Fahasalamana sy ny Fahadiovana amin'ity taonjato vaovao ity. Dingana lehibe ho an'ny fahasalamana any Shina ity fihaonambe ity.

Nandritra ny fihaonambe dia nanazava ny toerana manan-danja eo amin'ny asa fidiovana sy fahasalamana eo amin'ny sehatry ny Antoko sy ny firenena ny Filoha Xi Jinping, ary nanolotra torolalana ho an'ny asa fidiovana sy fahasalamana ao amin'ny firenena amin'izao vanim-potoana vaovao izao.

Ny fananganana ny Andro ho an'ny Dokotera dia manampy amin'ny fanatsarana ny laharan'ny dokotera eo imason'ny vahoaka, ary hanampy amin'ny fampiroboroboana ny fifandraisana mirindra eo amin'ny dokotera sy ny marary.


Fotoana fandefasana: 19 Aogositra 2022